Matthew 5

1Rehefa nahita ireo vahoaka Jesosy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ireo mpianany. 2Nanokatra ny vavany Izy ary nampianatra azy ireo, manao hoe: 3“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. 4Sambatra ireo misaona, fa hampiononina izy ireo.

5Sambatra ireo malemy fanahy, fa izy ireo no handova ny tany. 6Sambatra ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho vokisana izy ireo. 7Sambatra ireo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po izy ireo. 8Sambatra ireo madio am-po, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo.

9Sambatra ireo mpampihavana, fa izy ireo no antsoina hoe zanak’Andriamanitra. 10Sambatra ireo izay enjehina nohon’ny fahamarinana, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

11Sambatra ianareo raha maniratsira anareo sy manenjika anareo ny olona, ary miteny ny karazana lainga ratsy rehetra hanohitra anareo nohon’ny amiko. 12Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany ny fomba nanenjehan’ny olona ireo mpaminany izay niaina talohanareo.

13Ianareo no siran’ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin’ny fomba ahoana no ampasira izany indray? Tsy ho tsara na amin’ny inona na amin’ny inona intsony izany fa hariana sy ho hitsahin’ny tongotry ny olona sisa. 14Ianareo no fahazavan’izao tontonlo izao. Ny tanàna miorina eo amin’ny havoana dia tsy azo hafenina intsony.

15Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka izany any ambany harona, fa eo amin’ny fitoeran-jiro, ka manazava ny rehetra ao an-trano izany. 16Aoka hazava eo anoloan’ny olona toy izany fomba izany ny fahazavanareo mba ahitan’izy ireo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.

17Aza mieritreritra hoe tonga handrava ny lalàna na ireo mpaminany Aho. Tsy tonga hamotika ireo Aho, fa hanatanteraka azy ireo. 18Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy ho foana amin’ny lalàna na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra.

19Noho izany na iza na iza mandika na dia ny kely indrindra amin’ireo didy ireo sy mampianatra ny hafa anao toy izany dia ho antsoina hoe kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Fa na iza na iza mankatoa sy mampianatra ireo dia ho antsoina hoe lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. 20Fa lazaiko aminareo fa raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.

21Efa renareo fa voalaza tamin’izy ireo fahiny hoe: ‘Aza mamono olona,’ ary ‘Na iza na iza mamono olona dia ho helohina any amin’ny fitsarana.’ 22Fa lazaiko aminareo fa izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika ny ho helohina any amin’ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalahiny hoe: ‘Ianao dia olom-poana!’ dia ho helohina any amin’ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: ‘Adala ianao!’ dia mendrika ny ho any amin’ny farihy mirehitra afo.

23Noho izany raha manolotra ny fanatitrao eo amin’ny alitara ianao ka tsaroanao teo fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, 24dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana zory ny lalanao. Mihavàna aloha amin’ny rahalahinao, ary avy eo miverena dia atolory ny fanatitrao.

25Mihavàna faingana amin’ny mpiampanga anao raha mbola miara-dia aminy any amin’ny fitsarana ianao, fandrao ny mpiampanga anao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra anao amin’ny manam-boninahitra, ka hatao ao an-trano maizina ianao. 26Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivoaka ao mihintsy ianao mandra-pandohanao ny vola faran’ny kely indrindra amin’ny trosanao.

27Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga.’ 28Kanefa lazaiko aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia efa nijangajanga tao am-pony sahady.

29Raha manafintohina anao ny masonao ankavanana, dia esory izany ary atsipazo lavitra anao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin’ny vatanao no tokony ho simbaina fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin’ny helo. 30Raha manafintohina anao ny tananao ankavanana, dia tapaho ary atsipazo lavitra hiala aminao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin’ny vatanao no tokony ho very fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin’ny helo.

31Ary efa voalaza ihany koa hoe: ‘Na iza na iza misaraka amin’ny vadiny, dia aoka izy hanome azy ny taratasy fisaraham-panambadiana.’ 32Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy nohon’ny fijangajangana, dia mampijangajanga azy. Na iza na iza manambady azy aorian’ny fisarahany dia mijangajanga.

33Ary koa, renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: ‘Aza mianiana fianianana diso, fa ento eo anatrehan’ny Tompo ny fianiananao.’ 34Fa Izaho kosa milaza aminareo, aza mianiana amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny lanitra aza, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izany; 35na amin’ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na koa amin’ny Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izany.

36Aza mianiana amin’ny lohanao, fa tsy afaka manafotsy na manamainty ny singam-bolo iray ianao. 37Fa aoka ny teninao ho, ‘Eny, eny,’ na ‘Tsia, tsia.’ Izay mihoatra izany dia avy amin’ny ilay ratsy.

38Renareo fa voalaza hoe: ‘Maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify.’ 39Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe, aza manohitra izay ratsy. Fa kosa, na iza na iza mamely ny takolakao ankavanana dia atolory azy koa ny ilany.

40Ary raha misy olona maniry ny hiaraka aminao ho any amin’ny fitsarana ka manendaka ny akanjonao, dia avelao ho azy ihany koa ny lambanao. 41Na iza na iza manery anao andeha kilometatra iray, mandehana miaraka aminy amin’ny kilometatra roa. 42Omeo izay mangataka aminao, ary aza mandà na iza na iza maniry ny hindrana aminao.

43Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tsy maintsy mitia ny mpiara-belona aminao ianao ary mankahala ny fahavalonao.’ 44Fa lazaiko aminareo, tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: “”Misaora ireo izay manozona anareo, manaova ny tsara aminin’ireo izay mankahala anareo.“”] 45mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Fa Izy dia mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.

46Fa raha ireo izay tia anareo no tiavinareo, inona no valisoa azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao tahaka izany koa? 47Raha ny rahalahinareo irery ihany no arahabainareo, inona no mba ataonareo mihoatra ny hafa? Moa na dia ny Jentilisa aza tsy mba manao tahaka izany koa? Noho izany dia tsy maintsy tanteraka ianareo, tahaka ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra.

48

Copyright information for PltULB